Tournoi Rugby à 7 : hifantenana izay handrafitra ny Makis

Hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatape­naka, ny sabotsy 3 sy ny alahady 4 febroary ho avy izao, ny « Tournoi » ho an’ny rugby lalaovina olona 7, lahy sy vavy, sokajy sénior. Ho fanomanana ny fiadiana ny amboaran’i Afrika izany ka hifantenana ireo izay handrafitra ny Makis de Madagascar, lahy sy vavy. Nambaran’ i Antsoniandro, tale teknika nasionaly eo anivon’ny Malagasy Rugby, fa «open» misokatra ho an’ny rehetra, na hatrany amin’ny faritra, ny fihaonana fa tsy natokana ho an’ny klioba ihany. Afaka miaraka ao anaty ekipa iray izany ireo mpilalao avy amin’ny fileovana samihafa.
Hatao any Maurice ny fifanintsanana ho an’ny sokajy lehilahy ary any Tunisie ny an’ny vehivavy, ny volana septambra ho avy izao. Hiatrika ny “World series challenger”, izay voalohany sy faharoa amin’izany. Mifaninana amin’ny lalao iraisan’ny kaontinanta indray izy ireo ka manao ny “Circuit mondial” izay voalohany eo. Raha tsiahivina, nahazo izany tamin’ny taon-dasa i Kenya, lahy sy vavy.
Manana herijika goavana ahafahana miatrika izany ny Makis de M/car, izay efa nandresy an-dry zareo Kenianina. Ankoatra izay, tafiditra ao anatin’ny fitiliana ireo mpilalao hiatrika ny lalao afrikanina, tanterahina any Ghana, ny 8 ka hatramin’ny 23 marsa ihany koa io «Tournoi» hatao amin’ny faran’ny herinandro io.

Tompondaka

Partager sur: