Zook Davids : Raikitra ny « EPP Tours » 2024

Mpanakanto anisan’ny sakaiza akaikin’ny ankizy sy ny tanora i Zook Davids. Tetikasa anisan’ny novolavolaina tamin’ iny taona 2023 nivalona iny ny hihaona mivantana amin’ireo kilonga sy tanora mianatra any amin’ny ambaratonga voalohany. Tsy mijanona ho fihaonana fotsiny fa hitondra fanabeazana ho an’ireny ankizy ireny, ho fanampiana sy fanatevenana ireo efa azon’izy ireo any amin’ny mpampianatra sy ny mpanabe.
Raikitra ny « EPP Tours » 2024. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana amin’izany ny fampisehoana an-tsehatra (hira, dihy sy fihetsika hoenti-mitaiza,…). Fanatanterahana kara­zana kilalao samihafa ary ny fanentanana ny ankizy amin’ ny fanajana ny hasina maha olona. Hisantarana ny « EPP Tours» ny hotanterahina eny Talatamaty, rahampitso 1 febroary maraina.
Raha tsiahivina, mbola vitsy ihany ny mpanakanto manom­pana ny talentany any amin’ny fanabeazana ny ankizy mba ho tonga ho olom-banona, raha ny eto Madagasikara. Ho an’i Zook Davids manokana, ankoatra ny tononkira, omeny lanja lehibe ihany koa ny fomba fiakanjo hoenti-manamora ny fampitan-kafatra tiany hipaka any amin’ireo beazina.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: