Digue Anosimpatrana : hisokatra ny sabotsy izao ny làlana

Nampitomboina ny fitaovana nampiasana hifehezana ny fiparitahan’ny fako eny Anosimpatrana. Mifarimbona ireo hery velona amin’ny fifanomezan-tanana rehetra. Andro aman’alina ny fanadiovana. Omaly, nodiovina tamin’ny rano ny arabe mba hahafahana manokatra ny lalana. Nanomboka omaly ihany dia niverina tamin’ny laoniny ny fifamoivoizana teny an-toerana.
Marihina fa ho fanafainganana ny asa dia tsy maintsy notapahina ny lalana omaly, nahafahan’ireo fitaovana vaventy nivezivezy.
Nampahatsiahy ny governor, Rasoamaromaka Hery, fa vonjimaika ihany ny fanariana fako eo Anosimpatrana. Efa nilamina anefa izany ka tsy misy kamiao manary fako intsony eny an-toerana. Noho ny fahatapahan’ny lalana miditra eny Andralanitra vokatry ny orana nisesy tamin’iny herinandro iny. Mivantana eny Andralanitra amin’izay ny fakon’Antananarivo, efa maina rahateo ny andro.
Avy amin’ny faritra Analamanga ireo fitaovana vaventy maro nentina nanala ny fako. Teo koa ireo olona mpiasan’ny faritra nanala izany. Nanampy izany ny fiaraha-miasa tamin’ny malala-tanana, ny SMA, fa indrindra ny CUA.

Tatiana A

Partager sur: