“Ny lojikan’ny fijoroanay, mitaky ny fiverenana amin’ny fanjakana tan-dalàna: tsy mandray anjara amin’ny fifidianana izay fantatra fa hanome hasina ny fanjakana misy amin’izao fotoana izao”. Io ny nambaran’ny ny Cellule de crise “Diovy i Madagasikara”, Ralaiseheno Guy Maxime, teny Antsakaviro, afakomaly, ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana ato ho ato. Tsy handray anjara amin’izany ry zareo. Fa manome hasina ny fitondrana amin’ny fanosihosena ny Lalàmpanorenana sy ny fiandrianam-pirenena izany dingana izay.
Ny vahoaka no masi-mandidy ary tompon’ny fahefana. Olan’ny Malagasy no misy amin’izao, ka ny Malagasy no mitondra vahaolana momba izay. Mitohy ny tolona ary hatolotra ny olom-pirenena tsy ho ela ny fandaharam-potoana hatanterahana ny vovonana an-tampon’ny olom-pirenena. Miantso ny vahoaka handray andraikitra amin’izay hoe fanohizana ny tolona izay ry zareo.
R. Nd.