Fifanakalozam-bola : maherin’ny 6 000 ny Cash point an’ny MVola

Maro ny zava-bitan’ny orinasa MVola fa tsy vitsy koa ny ezaka hotohizana. Nilaza ny tale jeneraly (CEO), Louis Olivier Favot, fa anisan’ny voalohany nahazo ny satan’ny fifanakalozana ara-bola amin’ny maha banky, ny MVola tamin’ny taona 2023.
Sangany amin’ny lafiny fifanakalozam-bola niomerika ity orinasa ity. Notsorin’ny mpitantana ny MVola, fa sangany amin’ity sehatra ity ny orinasa, satria maherin’ny 6 000 ny toby hifanakalozam-bola Cash point miara-miasa aminy.
Hanehoana ny maha matihanina, maro ny mari-pahalalana sy sata eto an-toerana sy iraisam-pirenena, azon’ny MVola. Toy ny Business Meet Up, ny BCorp, ny GSMA, ny API, sns.
Ankoatra ny fandraharahana, omen’ny MVola lanja manokana ny lafiny sosialy sy ny tontolo iainana. Maherin’ny 5 000 ny zana-kazo efa voavoly. Manana ny anjara toerany ity orinasa ity, satria orinasa tomponandraikitra. Ma­herin’ny 1,2 miliara Ar ny fanohanany ara-bola amin’ny lafiny sosialy ka ao anatin’izany ireny hetsika «Tosika fameno» natao teto amin’ny firenena ireny. Manampy ireo ny fanohanana ny sosialy, ny fanantanjahantena, sns. Fa­namafisana hanohizana ireo fahombiazana ireo no hataon’ny MVola, amin’ity taona 2024 ity sy ny hoavy manaraka.

Njaka A .

Partager sur: