Hifanatrika amin’ireo solombavambahoaka eny amin’ny Antenimierampirenena ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, anio. Samy hitondra ny fandaharanasany ireo minisitra amin’izany.
Hitarika ny fifanatrehana sady hanomboka ny famelabelarana ny Fandaharanasa ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny Praiminisitra, i Ntsay Christian. Samy hanazava ny anjarany avy kosa ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta avy eo, araka ny voafaritra tamin’ny lahadinika nolanian’ireo birao maharitra, afakomaly.
Mazava ny toromarika nomen’ny filohan’ny Repoblika azy ireo ny amin’ny hirosoana anaty fotoana fohy sy maika ny fanatanterahana ireo asan’ny minisitera tsirairay, araka ny notapahin’ny filankevitry ny minisitra. Nomena fe-potoana 100 andro izy ireo ka anisan’ny andrasan’ny maro amin’izany ny momba ny tontolon’ny angovo sy ny herinaratra. Ny resaka fampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana. Ho voaresaka ao koa ny momba ireo andry telo lehibe, nambaran’ny filohan’ny Repoblika, tamin’ny fianianany. Toy ny fijerena ny sosialim-bahoaka, ny sehatry ny indostria sy ny fanodinana ary koa ny fitantanan-draharaham-panjakana. Manampy izany ny ady amin’ny kolikoly.
Disadisa sy lonilony…
Hihaino sy hanaraka ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, araka izany, ireo depiote.
Tsiahivina fa izao indray vao hifanatrika ny andaniny sy ny ankilany raha tsy tanteraka izany tamin’ny fotoam-pivoriana, ny faran’ny taona teo. Anton’izany ny disadisa sy ny lonilony teo amin’ny fahefana mpanatanteraka sy ireto mpanao lalàna ireto. Fotoana niatrehana ny fifidianana rahateo tamin’ireny ka nampamaivay ny adihevitra politika teto amin’ny firenena ankoatra ny olana anatiny ho an’ireo depiote maro anisa, IRD.
Synèse R.