“Foromporona Saint Valentin” : hiverina an-tsehatra i Francis Turbo

“Ilay mbola tsy hita izay naharatsy azy”, hoy izy… Tsy niala tamin’ny tontolon’ny fampisehoana koa, saingy tsy natetika fotsiny noho ny andraikitra izay sahaniny ity mpanao hatsikana ity. Nahafantarana azy isan-taona anefa, ny andiam-pampisehoana manodidina ny fankalazana ny fetin’ny mpifankatia, ny “Saint Valentin”. Fantatra kosa fa hiverina izany amin’ity, fa tsy eto Antananarivo fa any Mahajanga sy Toamasina indray.
“Foromporona Saint Valentin” ny lohahevitra hovoaboa­san’i Francis Turbo amin’ity. Hatomboka ao amin’ny Maison de la culture Mahajanga, ny alahady 11 febroary, manomboka amin’ny 7 ora hariva. Hotohizana any Toamasina ao amin’ny Cibus manoloana ny Mpamonjy voina, ny zoma 16 febroary manomboka amin’ny 9 ora alina. Mazava loatra fa tsy mivaona amin’ny nahafantarana ny hatsikan’i Francis Turbo hatramin’izay, indrindra rehefa manodidina ny fitiavana sy ny tontolony no hoentiny amin’ireo fotoana ireo. Misy ny forona vaovao, araka ny lohahevitra. Heverina koa fa misy ny fampanarahana ny toetrandro ireo hatsikana taloha, kanefa dia be mpankafy hatrany.

Zo ny Aina

Partager sur: