Miray vina sy tanjona eo amin’ny sehatry ny haino vaky jery amin’ny alalan’ny haitao ara-kajy mirindra ny roa tonta. Fahombiazana no azo ilazana ny roa taona niarahana niasa, araka ny nambaran’ny mpitantana roa tonta.
Tontosa, omaly, teny
amin’ny birao fiasan’ny Ordre des journalistes de Madagascar (OJM), Ambohidahy, ny fanavaozana ny fiaraha-miasa eo amin’ny OJM sy ny Agence Dujardin Delacour&Cie, izay orinasa misehatra eo amin’ny tontolon’ny haitao ara-kajy mirindra. Hankalaza ny faha-50 taonany ny OJM amin’ity taona ity ary hisy hetsika lehibe miisa roa, vinavinaina hotanterahina ao anatin’ny enim-bolana voalohany amin’ity taona ity, araka ny nambaran-dRasoloarison Monica, filohan’ny OJM.
“Faly izahay noho ny fiaraha-miasa an-kitsim-po nifanaovanay tamin’ny Dujardin Delacour hatramin’ny niandohan’ny fotoam-pitantanana ny birao. Eo ihany koa ny fanohanana isan-karazany omen’ity masoivoho ity amin’ny hetsika izay notanterahinay hatramin’izao. Manantena ny fitohizan’ny fiaraha-miasa tahaka izao izahay amin’ny ho avy, indrindra amin’ity taona fankalazana ny faha-50 taonan’ny OJM izao ity”, hoy Rasoloarison Monica.
Tetsy ankilan’izay, nanambara Rabefaritra Karine, anisan’ny mpanorina ny Agence Dujardin Delacour&Cie fa anisan’ny tena nampivoatra ny orinasany ny fiaraha-miasa tamin’ny OJM. «Mirehareha sy faly izahay miantso azy ireo ho mpiara-miombon’antoka, amin’ny kalitao sy ny fahamendrehan’ny fifandraisanay amin’ireo solontenan’ity asa tena ilaina ity. Hametraka ny traikefanay nandritra ny taona maro ho amin’ny famolavolana hevitra, fanomanana, fandaminana ary fifandraisana amin’ny fandaminana mahomby ny hetsika ihany koa izahay avy eto amin’ny Agence Dujardin Delacour&Cie », hoy Rabefaritra Karine.
Lin