Kongresy Eokaristika Nasionaly : hiainan’ny kristianina ny sakramentan’ny fampihavanana

Hotanterahina any Antsi­ranana, ny 23 – 25 aogositra 2024 izao, ny Kongresy eokaristika Nasionaly. Ny fihavanana no manasitrana an’izao tontolo izao. “Mpiray tampo avokoa ianareo” ny lohahevitra amin’izany. “Miavaka ny hetsika satria hanomezan-danja bebe kokoa ny sakramentan’ny fampihavanana. Ivon’ny fankalazana sy ny zavatra atao rehetra ihany koa”, hoy ny Mgr Randria­nantenanina Gabriel, Evekan’i Tsiroanomandidy sady sekretera jeneralin’ny fiombonamben’ny Eveka, nandritra ny tafa natao tamin’ny mpanao gazety tetsy Ambatoroka, omaly. Tsy fanao matetika eto Madagasikara io kongresy io satria tamin’ny 1934 ny hetsika voalohany. Tamin’ny 2004 kosa ny farany. “Tsy maintsy miaina ny hasarobidin’ny eokaristia ny krisitianina, amin’ny alalan’ny sorona masina, fampianarana sy fijoroana vavolombelona, dia mivavaka sy adoration ary sakramentan’ny fampihavanana”, hoy ny Arsevekan’Antsiranana, Ramaroson Marc Benjamain.
Hisy ny taom-bavaka, aparitaka amin’ny kristianina isam-bolana. Hiaraha-mivavaka sy mamantatra misimisy kokoa ny eokaristia. Eo koa ny vavaka iombonana, izay havaozina isaky ny fiangonana, fikambanana ary fianakaviana. Hialohavan’ny fihaonambe nasionalin’ny Afafi-FET ny kongresy. Tanterahina telo andro mialoha any an-toerana. 200 000 ny mpikambana manerana ny Nosy andrasana hanatrika izany. Nisokatra ny 1 novambra ary hifarana ny 28 Avrily 2024 ho avy izao, eny amin’ny paroasy tsirairay, ny fisoratana ana­rana.

Mino

Partager sur: