Madagasikara-Sina : hotohizana ny fiaraha-miasa

Nihaona teny Anosy, ny talata teo, ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ratohiarijaona Rakotoarisolo Suzelin, sy ny mpiraki-draharaha eo anivon’ny masoivo­hon’ny repoblika Sina eto Madagasikara, Zhang Wei. Voaresaka nandritra izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny firenena sinoa sy ny minisitera izay hifantoka ami­na teboka efatra. Hotohizana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta ho fampiroboroboana ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Hojerena ny fomba hanamafisana ny famokarana masomboly safiotra eto Madagasikara noho izy mampiakatra ny taham-bokatra amin’ny faritra maro. Ankoatra izay, handray an’ ireo vokatra fanondrana toy ny lavanila, letisia sy ny maro hafa ihany koa i Sina. Voare­saka nandritra ny dinika fa hametrahana labatoara manara-penitra famonoana ondry eto Madagasikara. Andran­draina hitondra vokatsoa sy hampiakatra ny fari-piainan’ny tantsaha mpamokatra ny fiaraha-miasa.

Bongolava
Tantsaha maro avy ao amin’ny faritra Bongolava no nisitraka masomboly hiatrehana ny taom-pambolena 2023-2024. Mpamokatra 131 nahazo tohana amin’ny seha-pihariana vary an-drano, Soja ary Voanjo, izay nahitana masomboly 2 336 kg, zezika NPK 960 kg ary zezika biolojika milanja 11 500 kg. Tafiditra ao anatin’ ny tetikasa “PURPA” izay vatsian’ny BAD vola ary iaraha-miasa amin’ny Fonds de développement Agricole – Madagascar izao hetsika izao.

Henintsoa Hani

Partager sur: