Hanao ahoana ny fiatrehana ny fifidianana manaraka eo? Manana ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia: “Tsy ny fifidianana kaominaly sy ny fifidianana depiote akory no handamina ny firenena fa fifampiresahana handaminana ny zava-drehetra aloha”. Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny toe-draharaham-pirenena amin’izao?
Rabevahiny Elia (-): Amin’izao, tsy mahagaga ny fitondram-panjakana raha mandresy lahatra ny mpisehatra politika hiroso amin’ny fifidianana. Ny manahirana dia ny mahita an’ireo ao amin’ny vondrona kandidà efa miomana hirosoana amin’izany ny ankamaroany. Neken-dry zareo indray ve izany fahefan’ny mpitondra, izay tsy nekeny mialoha ny fifidianana? Inona no nanomezan-tsiny ny kandidà Siteny Andrianasoloniaiko niroso tamin’ny fifidianana tamin’izany? Mampiseho ny tsy fahamatorana politika aty amin’ny sehatry ny mpanohitra na ny hetsiky ny kandidà ny fiomanana avy hatrany hiroso amin’ny fifidianana kaominaly sy ny fifidianana depiote. Nefa tsy mbola misy na inona na inona miova taorian’ny fifidianana. Raisinay Otrikafo ho mpamadika ny vahoaka sy ny olona natao ireo mpanao politika ireo amin’izany fanapahan-keviny izany.
* Inona no tokony hatao hisian’ny fitoniana politika?
– Tsy miova ny hevitray… Mazava ny fitondrana toy izao, any amin’ny tapatapaka na taona vitsy aorian’ny fe-potoam-piasana faharoa hatrany no isian’ny fidinana an-dalambe miafara amin’ny fionganan’ny mpitondra. Raha ny fahasahiranana sy ny rivotra politika ary ny fahafantarana ny zava-misy any rehetra any amin’izao, mamofompofona an’izany ny firenena amin’izao. Tsy aleo ve mifampiresaka hahazoana mandamina azy? Tsy ny fifidianana kaominaly sy ny fifidianana depiote akory no handamina ny firenena, fa fifampiresahana handaminana ny zava-drehetra aloha. Ao anatin’izany ny rafitra mifehy ny fifidianana. Izay vao hirosoana ny fifidianana, raha tena tiana ny hisian’ny fitoniana. Raha atao amboletra toy izao io, tsy tokony ho gaga isika raha hisy ny korontana.
* Ahoana izany no hiatrehana an’izay fifidianana izay?
– Tsy manaiky ny mpitondra izahay noho ny tsy maha Malagasy azy. Raha tsy misy zavatra miova eo, tsy hanaiky ny fitondrana izahay ka ndeha hiroso amin’ny fifidianana karakarain-dry zareo. Raha misy ny fifampiresahana, azo eritreretina ny fifidianana.
Nangonin’i R. Nd.