Raharaha andramena: fanondranana antsokosoko tamin’ny taona 2014

Nambaran’ny tale jeneralin’ny fadin-tseranana (DGD), Lainkana Zafivanona, fa fanondranana antsokosoko tamin’ny taona 2014 ilay raharaha andramena tany Tanzania. Filoha miara-mitantana ny fifanarahana hanamorana ny fifanakalozana ara-barotra iraisam-pirenena ihany koa ny tenany.

Nisy andramena avy aty Madagasikara tratra ta­ny amin’ny seranan-tsam­bon’i Mombassa (port d’éclatement) any Kenya, natao tanaty kaontenera miisa 34 (amin’ny 20 pieds), ny vo­lana mey 2014, saika naondrana antsokosoko any Hong-Kong, araka ny lalàna Cites tovana II (annexe). Nivoaka ny taona 2021 ny didim-pitsarana kenyana, ka nogiazana sady nafindra tanaty kaontenera miisa 22 (amin’ny 40 pieds).
Nivoatra ny raharaha, ka nilaza ny DG-n’ny ladoany, Lainkana Zafivanona, fa nisy ny famoahana ireo andramena ireo tany Kenya, hotaterina any Dubaï, Emirates Unis. Nandalo tao amin’ny seranan-tsambon’i Tanzania, ka tra­tran’ny tomponandraikitra tany an-toerana indray, fanondranana antsokosoko, ny desambra 2022. Taorian’izany, nandray fepetra ny fanjakana ma­lagasy ka nifampiraharaha tamin’ny tomponandraikitra tan­zaniana ny hampodiana ireo andramena ireo aty Ma­da­gasikara, nanomboka ny oktobra 2023. «Mangara­ha­ra­ha ny hetsika natao, satria niarahana tamin’ny tomponandraikitry ny Firenena mi­kambana sy ny sampandraharaha voakasika», hoy ihany ny DGD, Lainkana Zafiva­nona. Nomarihiny koa fa tafiditra ao anatin’ireo andramena efa vita fanisana ireo tratra tany Tanzania ireo satria misy loko mari-pamantarana, araka ny fanisana natao tamin’ny taona 2014, niarahana tamin’ny Ban­ky iraisam-pirenena.
Fanamorana ny varotra iraisam-pirenena
Marihina fa nandritra ny fihaonan’ny DGD tamin’ny mpanao gazety, taorian’ny fa­nokafana ny fivoriambe ara-potoana nataon’ny Fifanara­ha­na hanamorana ny fifandraisana ara-barotra, CFEC teny Ivandry, omaly, no nitondran’ny DGD, Lainkana Za­fi­va­nona, ity fanazavana mahakasika ny raharaha andramena tany Tanzania ity. Fivoriana natao omaly sy anio, nentina nanaovana jery todika ny zava-bita sy nijerena ny lesoka harenina na koa mila hatsaraina ho an’ny taona 2018-2023. Miisa 18 ny paikady nofaritana ka maherin’ny 50%-n’ny tanjona no efa tratra.

Njaka Andriantefoiarinesy

Partager sur: