Sahasinaka: lamasinina nivadika, olona telo namoy ny ainy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana an-dalamby indray tao amin’ny PK 110, Saha­si­naka Fenomby, distrikan’i Manakara, omaly maraina tamin’ny 10 ora sy 30 mn. Zotra an-dalamby mampitohy an’i Fianarantsoa – Manakara (FCE) no nivadika, nivoaka ny lalamby teny am-pandehanana. Vokany, olona telo indray namoy ny ainy, ny iray maty voatsindry tao ambany lamasinina, iray hafa kosa maty tsy tra-drano raha mpiasan’ny lalamby ny iray. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary, araka ny tatitra nampitain’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny FCE, tratran’ny olana ara-teknika teny am-pandehanana ilay lamasinina satria nihemotra tampoka ka nivadika. Olona enina naratra mafy ka zandary ny iray. Fantatra, ara­ka ny fampitam-baovao voaray hatrany, fa loha-masinina vao novidiana ity namoa-doza ity niaraka amin’ny wagon. Marihina fa niala tao Mana­ka­ra hihazo an’i Fianarantsoa ity fiarandalamby tra-doza tampoka ity. Tsy vao izao no nisy trangana lozan-dalamby toy izao tany an-toerana fa vao haingana no nisy loha-masinina nitarika wagon koa nivadika. Nangataka helikoptera amin’ny fanjakana mba hanavotana ny ain’ireo maratra ny depiote voafidy tao Fianaran­tsoa I, Seth Rajoelina. Mande­ha ny fanadihadiana ataon’ny zandary ao an-toerana.

J.C

Partager sur: