Hatao ny sabotsy 3 febroary izao avokoa ny fifaninanana ho an’ny faritra faha-6, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga, taranja Volley-ball. Tsy hisy lalao ny alahady 4 febroary, araka ny fangatahan’ireo mpitsara lalao, raha ny fanazavana hatrany.
Miditra an-tsehatra any an-tsekoly ny taranja Echecs. Misy ny tetikasan’ny federasiona malagasy, hampianatra ity taranja ity, eny anivon’ny sekoly. Tany Ankadinondry Sakay no nanombohana izany ny alatsinainy teo.
Hatao ny 2 febroary ny fivoriana ara-teknika ny fifaninanana nasionaly N1A, taranja basikety. Mbola amin’ny volana jona 2024 kosa no hanatanterahana ny fifanintsanana isaky ny “zone” amin’ity fifaninanana ity.
Hatao ao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny 9 hatramin’ny 17 martsa izao, ny fifaninanana basikety “Smatchin”. Fifaninanana natokana ho an’ny oniversite manerana ny Nosy, miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana.