Tarika anisan’ny manana ny maha izy azy, ary tsy lefin’ny taona ny Tana Gospel Choir. Tsy miova sy tsy miala amin’ny nijoroany sy naha izy azy ny tarika hatramin’izao.
Tontosaina amin’ity taona 2024 ity ny hetsika maro entina hankalazana ny faha-20 taonan’ny Tana Gospel Choir na “TGC”. Amin’ny ankapobeny, eto Antananarivo Renivohitra no tena hianoka izany fankalazana izany. Hanokafana izany ny fampisehoana etsy amin’ny Tranom-pokonolona Analakely, ny alahady ho avy izao. Ankoatra izay, hisy ny fampisehoana hanamarihina ny fankalazana. Araka ny nambaran-dRabearison Fidy, mpamorona ny tarika, ny nahafantarana sy nankafizana ny TGC hatramin’
izay ihany no ho hita mandritra ny fampisehoana, na dia efa somary ankizy vaovao avokoa aza ny mandrafitra ny tarika.
“Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay ! Amen!”, io teny io no entin’ny TGC mankalaza izao faha-20 taonany izao. Antokom-pihira niforona ny taona 2004 ny tarika ary anisan’ny namakilay ny fanaovana ny Gospel teto Madagasikara. Araka izany, fototra izy ireo ary efa maro ny mpikambana niainga avy ao aminy nahavita nanangana tarika manokana. Ao anatin’izao fankalazana ny faha-20 taonany izao, maro ny hetsika sy fampisehoana hotontosain’ny tarika. Anisan’izany ny fankalazana lehibe, hatao ny 19 mey 2024, ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Fampisehoana ao Antsahamanitra, ny 1 novambra 2024 no hamaranan’izy ireo ny fankalazana ny faha-20 taonany.
“Mada Gospel Festival”
Anisan’ny hetsika santarina amin’ity fankalazana ity ny “Mada Gospel Festival”. Hetsika lehibe ho an’ny eo amin’ny tontolon’ny Gospel, karakarain’ny TGC. Vinavinan’ny mpikarakara ny hanaovana izany aorian’ny fahavitan’ny fanadinana bakalorea. Antony nanaovana izao hetsika izao ny fahatsapana ny fitomboan’ny fankafizan’ny Malagasy, indrindra ny tanora, ny Gospel.
Lin