Tetikasa Mionjo : nahazo fitaovana hanatsarana ny fanairana mialoha ny BNGRC

Hahomby kokoa ny fiomanana ny loza sy ny tandindon-doza satria nahazo fitaovana hampiasaina ireo mpisehatra eny ifotony avy amin’ny tetikasa « Mionjo ». Efa eo an-dalam-panamboarana rahateo ny Centre opérationnel lehibe ao Ampanihy.

Maharitra efa-taona ny tetikasa «Mionjo», andiany voalohany, iarahan’ny minisiteran’ny Atitany, ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana ary tohanan’ny Banky iraisam-pirenena amin’ny sorabola 200 tapitrisa dolara ho an’ny faritra telo any Atsimo : Atsimo, Androy ary Atsimo Andrefana. Tanjona ny hanohana ny mponina hiarina taorian’ny fiatrehana ny loza niseho, toy ny kere sy ny hanoanana ary ny haintany vokatry ny fiovao­van’ny toetr’andro. Tsy fanampiana ao anatin’ny hamehana mandritra ny fotoana voafetra intsony no entin’ny Mionjo fa tetikasa lavitr’ezaka hifarimbonan’ny minisiteran’ny Fam­bolena, ny Jono, ny Rano ary ny Fitsinjaram-pahefana. Mijery ifotony ny filàn’ny vahoaka ifotony ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana, hoy ny mpandrindra ny tetikasa «Mionjo», Manatsara Anjara.
Miara-miasa amin’ny BNGRC ny tetikasa ka nampitaovana azy ho amin’ny fanairana mialoha ny olona rehefa misy ny voina ary nanome fitaovana hapetraka amin’ny Centre opérationnel moderne ao amin’ny distrikan’Am­panihy handrindra ny asa ho an’ny tapany atsimon’ny Nosy rehetra momba ny tandindon-doza sy ny loza. Natokana ho an’ireo mpisehatra eny ifotony ny fitaovana fanairana (mégaphone, radio mandeha amin’ny herin’ny masoandro…) hanatsarana ny fitantanana ny loza.
Efa eo am-panamboarana ny Centre opérationnel ny tomponandraikitra izay ivontoerana lehibe indrindra aty Afrika, ary mitentina 2,25 miliara Ar ny tetibola hananganana azy miaraka amin’ny fampitaovana rehetra, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Elack Olivier An­driakaja.

Vonjy A.

Partager sur: