Andao mba hiresaka asa fanaovan-gazety anio! Tsy misy antony manokana loatra fa ny andraikiny manoloana ny zava-miseho no handeha ho asian-teny. Tanjona ny mba hialana amin’ny firaisana tsikombakomba amin’ny zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny. Na eo amin’ny sehatry ny asa izany, na eny amin’ny fianana andavanandron’ny mponina.
Resabe ireny ny fako, nahoraka ny tsy fandriampahalemana! Nipetraka ho mpanabe tokoa ve ny mpanao gazety? Sa mpiray tsikombakomba amin’ny mpanao ratsy sy ny mpandika lalàna. Misy fotoana iaraha-mahalala fa baikoin’ny tombontsoan’ny tenany manokana na ny mpampiasa azy fahatany izy ireo. Hifaninanana rahateo ny varotra vaovao, handrobohana ny mpanjifa.
Manana adidy lehibe anefa ny mpanao gazety amin’ny fisintonana ny lakolosy ho an’ny zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy. Tsy maintsy mitady ny fomba rehetra hanatrarana ilay tanjona masina : “ Ny tombontsoan’ny besinimaro”. Tsy entanentanin’ny vaovao mampihoron-koditra sy ny lohateny mampientanentana fotsiny.
Tsy tampom-pahaizana akory na hipetraka amin’ny toeran’ny mpampianatra ny mpanao gazety. Tokony hijoro ho mpanentana sy mpamohafoha ireo mandrimandry, tsy mahatsapa ny anjara asa tandrify azy amin’ny fampandrosoana ny firenena, sy ny famahana ny olan’ny mpiara-belona. Tsy sanatrian’ny vava ilay mesia mpanavotra, fa ilay manontsana araka ny tokony ho izy izay tokony hahitsy.
Sarotra saingy masina ny asa fanaovan-gazety ka tsy tokony hatao kilalao. Tsy tokony hisy hisora-tena fa “henjana” amin’io sehatra iray io. Tsy tokony hisy kosa anefa hampiseho fahalemena ka handingana ny etika sy ny lalàna mifehy ny asa ka ho voafandrika any anaty kilalaon’ireo sadasada fanahy.
Manan-kasina ny mpanao gazety, iankinan’ny fiainam-bahoaka ka tsy tokony hatao an-kinanga.
r.r