Vao nivoaka ny fonja: vehivavy tratra teo am-pivarotana rongony

Nidoboka am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’ Antanimora, afakomaly, ireo vehivavy roa voarohirohy ho tompon’antoka tamina raharaha trafikana zava-mahadomelina mahery vaika. Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ ny zava-mahadomelina Anosy, teny Itaosy sy Ambo­hi­tri­manjaka, izy roa vavy, ny 29 janoary 2024 lasa teo. Fivarotana rongony sy fahatrarana fitaovana fihinanana zava-mahadomelina mahery vaika ny heloka hanenjehana azy ireo. Naharay fampitam-baovao ny polisy momba ny fisian’ireto vehivavy mivarotra sy manamboatra zava-mahadomelina mahery vaika eny Itaosy ireto. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny polisy ka tratra tao an-tranony ny vehivavy iray. Tazana niparitaka eran’ny trano ny fitaovana, toy ny fitsindromana, afopika fandorana zava-mahadomelina, sotro fandorana rongony, «bang» sy «shisa» fihinanana zava-mahadomelina, fanafody cololiprane sy diazepan. Tsy azo amidy anefa io fanafody io raha tsy ahazoana alalana avy amin’ny mpitsabo. Efa nisazy iray volana sy tapany teny amin’ny fonjan’ Antanimora noho ny resaka rongony mahery vaika cristal izy. Vao nivoaka ny fonja ny fiandohan’ny taona 2023. Ilay vehivavy faharoa kosa tratra teny amin’ny faritra Ambohitrimanjaka. Teo am-pivarotana rongony no nifanehatra tamin’ny polisy. Nilaza izy fa mahalany rongony iray selofanina ao anatin’ny herinandro.

J.C

Partager sur: