Nodorana avokoa ireo katsaka simba milanja 23 400 taonina ao amin’ny distrikan’i Tsihombe. Nanao fangatahana ny handorana ireto vokatra ireto teny anivon’ny fitantanam-paritra (DRIC) Androy, ny Catholique relief service, (CRS), tompon’ireo entana. Voamarina ihany koa fa tsy azo hohanina intsony ny vokatra.
Misokatra ny antso ho an’ny tetikasa ho an’ ireo mpandraharaha liana amin’ny fitantanana ny milina famokarana paty ao Toliara I. Manana hatramin’ny 16 febroary hatramin’ny 4 ora hariva ireo rehetra liana amin’izany. Tanjon’ny fanjakana ny hanodidina ireo vokatra eny anivon’ny distrika sy ny faritra ialana amin’ ny fanafarana entana.
Nikoropaka ny tomponandraikitra isan’ambaratongany raha naheno tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera sy ny gazety mpivoaka isan’ andro iray, fa nisy vary lo tratra indray ary nodorana tao Mangarano, ny faran’ny herinandro teo. Niezaka nanamarina ny vaovao ny mpanao gazety ao Toamasina momba izany. Nilaza ny ho tsy nahafantatra ny fisian’ izany ny eo anivon’ny sampandraharahan’ny varotra sy fanjifana, araka ny nambaran’ny talem-paritra, Belalahy Berchomas.