“Ripo” andiany fahadimy: voafantina handray anjara Rabearivelo Dina

Fanararaotra, ahafahana maneho ny maha izy ny haikanto malagasy, indrindra ny azy manokana, ny fampirantiana iraisam-pirenena. Maro ny olona mifanerasera sy tonga miatrika io fotoana io amin’ny maha fihaonam-be iraisam-pirenena azy.

Tanterahina ny 13 hatramin’ny 18 febroary 2024, any Ouagadougou Bur­kina Faso, ny Rencontres internationales des peinture de Ouagadougou (Ripo), andiany fahadimy. Hetsika lehibe iraisam-pirenena eo amin’ny sehatry ny hosodoko, karakarain’ny Association pour la promotion des arts plastiques (APAP). Mpahay kanto sangany eo amin’ny fiangaliana hosodoko no voafantina hiatrika izany. Lohahevitra iraisan’ny mpahay kanto mandranty ny haikantony ny hoe “Trait d’union”. Ani­san’ny voafidy hiatrika izany Rabearivelo Dina, Malagasy mpiangaly hosodoko, izay hitondra avo ny hosodoko malagasy eo amin’izany sehatra iraisam-pirenena izany.
Tonga ihany ny fotoana hanatanterahina ny “Ripo”, an­diany fahadimy. Raha tsiahivina, efa ny 20 hatramin’ny 25 novambra 2023 no saika ho­tontosaina izy ity saingy izao nahemotra izao noho ny antony maro. Tsy miova kosa ny mpandray anjara sy ny lohahevitra fa najanona amin’ny teo aloha ihany. Mpahay kanto mpiangaly hosodoko manodidina ny 40 isa, avy amin’ny kaontinanta Afrika, Amerika, Eoropa ary ny faritra Karaiba, no handravaka ity fampirantiana ity amin’ny haikantony avy. Ankoatra izany, fotoan-dehibe hiainana sy hifampizarana traikefa sy fahaiza-manao eo amin’ireo mpahay kanto ihany koa izy ity.

“Tsisy fetra ny haikanto”
Malagasy manana ny maha izy azy, eo amin’ny sehatry ny haikanto plastika Rabearivelo Dina. Ny taona 2007 izy no nanomboka tafiditra teo amin’io sehatra io. Izy no anisan’ny nametraka ny rohy mifameno eo amin’ny soratra sy ny sary. Nampivadiny ny lahatsoratry ny gazety sy ny haikantony mba hanehoany ny mampiavaka azy eo amin’ny tontolon’ny haikanto. Mampiavaka azy ihany koa ny tsy fidirany amin’ireo vondrona sy fikambanan’ny mpanao haikanto. Araka ny nambarany, tsy voafaritra ary tsy voafetra ny haikanto.

Lin

Partager sur: