Tsapa ho somary ambanin-javatra ny fitarihana amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny aretina VIH/Sida teto Madagasikara. Nanavao fomba fiasa, araka izany, ny ONG Mad’Aids, manomboka izao.
Nanavao ny fomba fiasa hanatsarana ny fandraisana an-tanana sy ny ady amin’ny fiparitahan’ny aretina VIH/ Sida eto Madagasikara, ny ONG Mad’aids. Tambajotra tokana ivondronan’ny fikambanana 35, mandray an-tanana sy manamora ny fitsaboana ny olona mitondra io tsimokaretina io eto Madagasikara. Ho sokafana amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fiarahamonim-pirenena izany ankehitriny, raha ny tafa natao tamin’ny mpanao gazety tetsy 67ha, omaly. Tanjona ny hampipaka bebe kokoa ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny aretina eny anivon’ny fiarahamonina.
“Tsapa ho somary ambanin-javatra, eto Madagasikara, ny fitarihana amin’ny ady”, hoy ny tale mpanatanteraka eo anivon’ny ONG Mad’Aids, Firinga Jonhson Victorius. Nanao soniam-piaraha-miasa mahakasika ny ady amin’ny fiparitahan’ny otrikaretina VIH/Sida, i Madagasikara tamin’ny taona 2002. 10 taona taty aoriana, tsy hita firy intsony ny fitarihana nataon’ny fitondram-panjakana teto amin’ny Nosy. Porofon’izany, ny hamaroan’ny trangan’aretina sy ny olona mitondra izany eto amin’ny Nosy, raha ny fanambarana nataon’izy ireo.Tamin’ny taona 2002, 64 ny olona fantatra fa nitondra izany. Ankehitriny, efa mananika ny 13 000 izany manerana ny Nosy. Raha manodidina ny 45 000 na 65 000 ny olona ahiana ho mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida, izay mbola tsy fantatra eto amin’ny Nosy. Tandindonin-doza ny olona sy ny firenena manoloana izany ka antony hanavaozan’izy ireo ny fomba fiasa. Efa nisy ny tetikasa efatra nataon’ny tambajotra, toy ny SYCAVI. Paikady nanairana ny fitondram-panjakana sy ny firaisamonim-pirenena fa misy mandringa ny fandraisana an-tanana ny fanaovana fitiliana eto amin’ny Nosy.
Mino