Tratra tao amin’ny toerana “vorodamba” eo am-pitetehana ny dabam-pako ireto mpangalatra 3 lahy sy vehivavy iray izay mpandray ny entana halatra, ny alakamisy teo. Zaza tsy ampy taona ny iray tamin’ireo mpangalatra ka nalefa avy hatrany tany amin’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona.
Nokasaina hamidy amin’ny kilao ny vy rehefa voatetika. Marihina fa manodidina ny 1000 Ar ny kilao amin’ny poti-by eny Ampefiloha. An-jatony kilao maro anefa ny lanjan’ny iray amin’ireny dabam-pako ireny.
Antso avy amin’ny tsara sitrapo tamin’ny tale jeneralin’ny SMA, ny marainan’ny alakamisy teo, mahakasika ny nahafantarana ny fahaverezana dabam-pako iray.
Nanaitra ny polisy monisipaly avy hatrany ny SMA ka nanatanteraka ny fanarahan-dia ireo mpanao ratsy izy ireo. Niantso ny avy ao amin’ny “poste de police” Ampefiloha ny polisy monisipaly mba hanampy azy ireo amin’ny fisamborana ireto mpanao ratsy.
Mitohy ny fanadihadiana hahafantarana ny tambajotra manao ny fangalarana dabam-pako.
Fananan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ary fananana iombonana ireny dabam-pako ireny ka tokony hajaina sy hokolokoloin’ny rehetra.
Manampy betsaka ny fisian’ny dabam-pako eny anivon’ny fokontany. Mila fehezina hatrany ny fotoana fanariam-pako.
Tatiana A