Anisan’ny fihaonana be mpiandry anio sabotsy, fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena taranja baolina kitra (Can 2024), ny fifanandrinan’ny Voromaherin’i Mali sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Lalao hotanterahina ao amin’ny Stade de la Paix Bouaké. Hanohitra ny ivoarianina, mpampianatrano, amin’ity ry zareo Malianina. Raha ny antotanisa teo amin’ny fifanandrinan’ny roa tonta aloha no asian-teny, inefatra ny Voromaherin’i Mali no hany nandresy ny Elefantan’i Côte d’ivoire. Raha tsiahivina, efa in-32 ireo firenena ireo no nikatroka. 19 ny fandresena azon’ny Ivoarianina, ady sahala ny 9. Heverin’ny rehetra fa ho vitan-dratsy ho an’ny malianina ny fihaonana amin’i Côte d’ivoire eo amin’ny dingana tahaka izao. Tsaroan’ny maro ny zava-nisy tamin’ny “Can 2012”, natao tany Gabon. Nifandona teo amin’ny manasa-dalana ny roa tonta. Fotoana mbola nilalaovan’i Didier Drogba ho an’ny Elefanta sy i Ousmane Coulibaly ho an’i Mali. Niondrika tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 i Mali. Hanao ny valinadiny izany eto ny Voromahery na hilalao eo an-kianjany sy manoloana ireo mpijeriny aza, ny Elefanta.
Fihaonana hafanavay ihany koa ny an’ny Cap-Vert sy ny Bafana Bafana, Afrika Atsimo. Lalao hatao ao amin’ny kianja Charles Konan Banny ao Yamoussoukro.
Tompondaka