Fametahana lalana rarivato Hanofana tanora 800 ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa

Miteraka rohim-pihariana ny famakiana vato ka ho lasa asa fiveloman’ny tanora vita fiofanana omen’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa. Hisitraka fiofanana avokoa ny faritra rehetra hitondra fampandrosoana amin’ny fanatsarana ny lalana ho lasa rarivato (pavé).      

Manana toerana ahitana vato betsaka i Madagasikara. Azo havadika ho rarivato, hanamboaran-dalana izany ka nanofana mpampiofana amin’ny asa vato: famakiana, fandrafetana azy ho lasa rarivato hivadika ho lalana ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa. Ireo mpiasa vato eny amin’ny kaominina Ambohidratrimo no niompanan’ny fanofanana ka olona 40 ho lasa mpampiofana no nanatsara ny fahaiza-manaony, nandritra ny herinandro. Nanome fitaovana ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa ary niantoka ny mpampiofana. Hanofana tanora 20 avy izy 40 ka tanora 800 no hahafehy ny fametrahana rarivato. Hiara-hiasa amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy ny minisiteran’ny Fampianarana teknika ka homena ny tanora voaofana ny tsenambarotra fanamboaran-dalana eto amintsika, hoy ny minisitry ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa, Rakotondrazafy Lalatiana omaly, teny Ambohidratrimo.

Hitarina any amin’ny faritra ny fanofanana ka ireo tanora voaofana no hisitraka ny asa fanamboaran-dalana ao amin’ny toerana misy azy. Sady fanomezana asa ny tanora no manatsara ny fotodrafitrasa. Sambany nisy fiofanana nomena ny tanora tahaka izao ho an’Ambohidratrimo izay fiaraha-miasa amin’ny Lycée teknika, hoy ny ben’ny Tanàna, Raherimanantsoa Feno.

Mamelona olona 7 000  

Enina taona no nisokafan’ny toeram-pamakiana vato ao Ambohidratrimo. 7 000 ny isan’ny mponina mivelona amin’ny famakiana vato ao anatin’ny distrika. Vahoaka sahirana no mamaky vato ary mikarama isan’andro. Misy fikambanana mandray an-tanana ny kilonga manana ray aman-dreny mamaky vato ka ampianarina sy omena sakafo izy ireo tsy ho voasarika hanampy amin’ny famakiam-bato aloha, hoy ny ben’ny Tanàna. 200 m toratelo isan’andro ny vato voavaky sy amidy avy eo amin’ny kariera eo Ambohidratrimo. Olona manana fahazoan-dalana hitrandraka ny vato avy amin’ny kaominina no miasa eo an-toerana. Anisan’ny manampy ny loharanom-bola ho an’ny kaominina ny asa famakiana vato. Maniry ny hahazo tohana amin’ny fitaovam-piasana ireo mpamaky vato satria mamelona tokantrano maro.

 

Vonjy A.

Partager sur: