Hahita ny tsy fahita

Neken’ny parlemanta ny tolo-dalàna famaizana ny mpanolana. Dia hahita ny tsy fahita, hiaina ny tsy fiaina izay tra-tehaka manao izany. Hiditra amin’ny famosirana simika atao amin’ny filahiana i Madagasikara, afaka fotoana fohy. Iza re ny lehilahy haniry izany e? Mba hampiova ireo zatra ny lalan-dririnina amin’izay ity lalàna vaovao ity.

Tsy sanatrian’ny vava ramatahora, fa arofanina napetraka mba ho fiarovana ny zaza malagasy izay tsy manan-tsiny. Manararaotra loatra ny faharefoana mianjady amin’ny lasibatra sy ny fianakaviany ireo olon-dratsy ka manao izay danin’ny kibony. Ilay lalàna efa tranainy rahateo, tsy nahafahana nanafay faran’izay mafy satria izay voasoratra dia voasoratra.

Tsy tokony ho hadinoina anefa, fa zava-dehibe kokoa ny misoroka toy izay manafay. Mba hiditra any am-parahatoky ny vetaveta tsy mahafehy tena amin’ny filan-dratsiny izay fanapahan-kevitry ny fiohan’ny Repoblika, nohamafisin’ny Antenimierampirenena izao.  Inoana fa tsy hitsipaka izany velively ireo loholon’i Madagasikara.

Fiteny mahazatra antsika ny hoe tsy natao hangejana ny lalàna fa hoenti-manafaka.  Marina tokoa izany ! Saingy firifiry anefa no mahatsapa izany. Diso hevitra fa fampiasan-kery sy fanaovana tsindrihazolena izy ireny. Hany ka maro ny manao fanahiniana, mihantsy ny fahefana mahefa.  Manao tsy ho tratry ny aloka.

Santatra am-bavarano ny mahakasika ny fanolanana. Heverina fa tsy hijanona hatreo anefa izany. Mba hitohy ny fanamafisana ny fanaraha-maso ny fampiharana ity lalàna vaovao ity. Tsy sanatria hivadika ho loharanom-bolan’ny mpanao kolikoly indray izany. Mety hiakatra be ny tolotra sy ny tinady any anatin’ny « afera maloto ». Iaraha-mahalala fa mbola tena marefo i Madagasikara raha ny ady amin’ny kolikoly no resahina. Samy miandry!

r.r

Partager sur: