Tanterahina anio, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM), Analakely, ao anatin’ny hetsika « Conversation litteraire », ny resadresaka arahina adihevitra iarahana amin-dRamanankavana Elie, Malagasy mpaka sary pika. Ny mahakasika ny boky « Jacques Rabemananjara, l’œuvre poétique » no resahina ao anatin’izany. Fotoana lehibe hifampizarana eo amin’ny samy mpahay kanto na dia samy manana ny haikanto iangaliny aza. Fotoana ihany koa hamakafakana ny mahakasika ny mpanoratra Jacques Rabemananjara sy ny boky mirakitra ny haikanto nataony.
Mpahay kanto misehatra ivelan’ny haisoratra sy ny literatiora Ramanakavana Elie, saingy itondra tafa sy resadresaka mahakasika ny asa soratr’i Jacques Rabemananjara noho ny fahareseny lahatra amin’ny fahaizan’ity andrarezin’ny haisoratra sy literatiora malagasy ity. Tanjona amin’izao hetsika izao ny hanentanana ny rehetra ho liana amin’ny asa soratra indrindra ny an’i Jacques Rabemananjara, amin’ny maha raiben’ny haisoratra malagasy azy sy ny fandraisany anjara lehibe teo amin’ny tantaram-pirenena azy. Ankoatra izay, asongadina ao amin’ny boky nosoratan-dRanaivoson Dominique ny fifandraisana misy eo amin’ny dia ara-politikan’ny poeta sy ny asa sorany. Izany rehetra izany no handrafitra ny resadresaka arahina adihevitra eny amin’ny IFM Analakely, iarahana amin-dRamanankavana Elie, sy ny mpisehatra maro samihafa eo amin’ny tontolon’ny haisoratra sy ny haikanto.
Lin