Niampy iray indray ireo olona maty tamin’ilay loza an-dalamby tao Manakara, ny alarobia teo. Vehivavy iray 20 taona namoy ny ainy tao amin’ny hopitaly nitsaboana azy. Tafakatra efatra, araka izany, ireo olona maty tamin’ity lozam-pifamoivoizana an-dalamby ity. Teo anelanelan’i Fenoamby sy Sahasinaka, distrikan’i Manaraka, no nitranga ny loza tamin’io fotoana io. Fiaran-dalamby mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara (FCE) ity tra-doza tampoka ity noho ny olana ara-teknika teny am-pandehanana. Niainga avy ao Manakara hihazo an’i Fianarantsoa ilay lamasinina. Anisan’ireo naratra mafy ity vehivavy ity ka na teo aza ny famonjena azy dia tsy avotra intsony ny ainy. Avy ao Mahabako ilay tovovavy.
Mbola misy ireo olona manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly noho ny ratra mafy nahazo azy ireo. Tonga tany an-toerana nitrangan’ny loza ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro, Ramonjavelo Valéry. Nitsidika sy nankahery ireo maratra ao amin’ny hopitaliben’i Fianarantsoa izy sady nampahery ireo fianakavian’ny niharam-boina ihany koa.
J.C