Nihaona teny Fiadanana ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (MESupReS), Dr Razafiharison Andriamanantena sy ny fianakaviamben’ny oniversiten’Antananarivo. Voasolo tena avokoa ny tomponandraikitra sy ny filankevitra siantifika notarihin’ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo, Pr Ravelomanana Mamy. Nanotrona koa ireo lehiben’ny toeram-pianarana sy ny lehiben’ny sampam-pianarana samihafa.
Nandritra ny fihaonana, nanaovana tsidi-dresaka avokoa ireo lafiny samihafa tokony hitondrana vahaolana amin’ny fampianarana eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Niaraha-nidinika fohy ny tombana ho famahana izany.
Nanambara ny minisitra fa anisany efa nandraisany andraikitra ary nananany traikefa tao anatin’ny fotoam-piasany indroa nifanesy ny fitantanana oniversite. Manoloana izany, vonona izy hiara-misalahy amin’ireo tomponandraikitry ny oniversiten’Antananarivo hahatonga ny oniversite amin’ny toerana tokony hisy azy.
Nanolotra solosaina 10 ha an’ny oniversiten’Antananarivo ny minisitra hanamorana ny fampidirana anaty “base de données” ireo mpianatra tokony hisitraka vatsim-pianarana. Misy olona 15 avy amin’ny minisitera hanampy ireo mpandraharaha amin’ny fikirakirana izany.
Manantena ny mpianatra fa hitondra fanatsarana ho an’ny fampianarana ambony ny mpitantana vaovao eo anivon’ny minisitera mpiahy ary tsy hiverina matetika ny olana samihafa mampiato matetika ny fampianarana eny amin’ny oniversite.
Vonjy