Minisitra Fomendraza Haingo Elisette: naneho firaisankina tetsy amin’ny HJRA

Nitsidika sy namangy ilay tovovavikely vao 5 taona monja naolan’ny zokiny ka manaraka fitsaboana etsy amin’ny HJRA, ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Fomendraza Haingo Elisette, tamin’ity herinandro ity.

Marary sy mijaly izy, simba ny hoaviny, mampalahelo satria zokiny lahy 21 taona no nanao izany. Rehefa naheno izany ny Reniny dia maty tampoka ka tsy zakan’ny saina ny mieritreritra izany, hoy ny minisitra.

Marihina fa nataon’ny filoham-pirenena ho vaindohan-draharaha ny ady manokana amin’ny fanolanana, indrindra ny mamoafady amin’ny ankizy sy ny zaza toy izao ary tsy handefitra izy amin’ireo habibiana atao amin’ny zaza.

Tsy nanadino ny mpanakanto Lalie izay manaraka fitsaboana sy hiatrika fandidiana amin’ny alatsinainy ho avy izao ihany koa ny minisitra sy ny ekipany. Aretina ao amin’ny kibo no mahazo an’i Lalie ary tsy maintsy didiana izy.

Samy notolorana kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro sy solon-dranomboankazo izy ireo. Nankahery ireo marary ny minisitra ary nilaza fa ho fanehoana firaisankina ny fifanotronana toy izao.

Tatiana A

Partager sur: