Sambo lehibe fitsaboana Mercy Ships: hitsabo ny fandidiana rehetra amin’ny sarany maimaimpoana

Nigadona ao amin’ny seranan-tsambon’ i Toamasina, afakomaly maraina, ny sambo lehibe fitsaboana antsoina hoe « Mercy Ships ». Handray an-tanana sy hitsabo maimaimpoana ny marary, mandritra ny roa taona hijanonany ao an-toerana izy io. Hifantoka amin’ny fandidiana amin’ny endriny maro samihafa. Toy ny karazan’ aretina fivontosana, katarakta, “hernie”, bingon-tongotra na tanana, sima amin’ny vava, vaky lanilany, ary ny mikainkona vokatry ny fahamaizana amin’ny vatana… Efa misy matihanina sy tomponandraikitra maro samihafa mandray an-tanana ny fandidiana rehetra. Izay ahitana mpitsabo sy mpitsabo mpanampy aman-jatony. Natokana ho an’ny mponina rehetra mipetraka eto amin’ny Nosy ny fitsaboana atao.

Mbola mitohy ny fisoratana anarana

Tamin’ny 27 oktobra hatramin’ny 15 desambra lasa teo, ny andiany voalohany, tamin’ny fisoratana anarana. Mbola mitohy hatrany izany ho an’ireo te hisitraka ny fitsaboana any an-toerana.  Marihina fa maimaimpoana avokoa ny rehetra, na ny fisoratana anarana, saran-dalana, sakafo ho an’ izay hisitraka ny fitsaboana sy ny mpanaraka azy. Hitety eny ifotony sy eny rehetra eny ny mpikambana mpandraharaha eo anivon’ ity sambo lehibe hanao izany ity.

Horaisina an-tanana mandritra izany ihany koa ny fampiofanana ny mpianatra ho mpitsabo. Indrindra ny misehatra amin’ny lafiny fandidiana.

Sajo sy Mino

Partager sur: