Nifindra klioba ao amin’ny Zanakala FC, i Naina Avizara, vodilaharan’ny Fosa Junior Boeny, teo aloha. Araka ny vaovao voaray omaly, hodimbiasan’i Christian na i Voay ny toeran’ity mpilalao ity ao amin’ny Fosa. Tsiahivina fa i Naina Avizara, anisan’ireo Malagasy mpilalao nandrafitra ny Barea de Madagascar tamin’ny “Chan Algérie 2022”.
Hotontosaina manomboka anio, eny amin’ny Kianjan’Ambohidratrimo sy Mahitsy ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, taranja baolina kitra. Marihina fa hisy lalao enina handeha amin’io fotoana io. Tsiahivina fa ny ekipan’ny FC Rouge dia mikambana amin’ny FC Inate Vakinankaratra, izay mifaninanana amin’ny “PFL”.
Hotanterahina eny Antsahadita, rahampitso 4 febroary, ny fifaninanana « Madagascar Enduro Challenge » andiany fahasivy, taranja Moto. Raha ny vaovao nampitain’ny Federasiona FMaM, natao hanomanana ny fifanintsanana 4H Honda izany. Marihina fa hatao ny 10 marsa ho avy izao ny 4H Honda.
Nahazo fandresena tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Espagne “La Liga”, ny Real Madrid, ny alakamisy lasa teo. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 0 ny Getafe. Baolina roa izay tafiditr’i Joselu, lohalaharan’ny Real Madrid. Marihina fa mitana ny laharana voalohany ity ekipa espaniola ity amin’izao fotoana izao.