Hafa mihitsy ny Malagasy. Tsy mitovy amin’ny firenen-drehetra ny zava-misy sy iainany fa izay miseho, mahazendana avokoa ! Ilay fototra mihitsy no mitsingevana.
Ny Malagasy ihany no mbola mandany fotoana maharitra miresaka ny teny ampiasaina eo amin’ny taniny. Malagasy fatrapanaja ny lamina voajanahary, kanefa, nanjary mifanditra noho ny teny ampiasaina. Misy olona na ampahan’olona mivoy mafy fa « tsy ampy ny teny malagasy ». Io hevitra mitsipaka ny lamina voajanahary io no mitady hibahan-toerana ao anatin’ny tontolon’ny fanabeazana maha olona eto Madagasikara. Manampy trotraka, ny zava-manjo ny tontolon’ny fampianarana. Taranaka malagasy, ampianarina amin’ny teny vahiny !
Manomboka vitsy ny Malagasy mahalala sy mahafantatra momba ny tanindrazany. Tranga anisan’ny mampivarahontsana ho an’ny Malagasy, tany ambadiky ny 20 taona lasa, saingy, tsy mampiraika ny ankehitriny. Vitsy sisa ny Malagasy mahalala ny momba ireo razana nipoirany. Ireny anefa no fototra nitsimohana. Ahafahana mamantatra zavatra maro mba tsy hitrangan’olana amin’ny fiainana ho avy manaraka.
Dedaka amin’ny tsy azy
Anisan’ny mampiavaka ny Malagasy manoloana ny firenen-kafa ny fidedahana amin-javatra tsy azy. Kinga ery mampiasa ny teny vahiny, satria miandry fatratra ny hojerena sy hitodihan’ny mason’ny olona. Miandry ilay dokadoka : « mihaja sy olona ambony izany olona izany », na « mahay be izany tanora izany »… Efa aboridan’ny « fandrosoana » (nentim-bahiny), mbola sahy milaza fa « Malagasy » ihany. Tsy nisy Malagasy sahy niboridandridana imasom-bahoaka sy ny olom-pady izany.
Tsy fomban’ny Malagasy ny misotro rano alohan’ny zoky sy ny raiamandreny. « Finoanoam-poana izany », hoy ny tanora miaina amin’izao vanim-potoana izao. Tsy mahagaga raha miha maro andro aman’alina ireo tanora folaka andantony. Tanora difotry ny adin-tsaina sahady… Satria tsy azony ilay fahendrena fonosin’ny « misotro rano alohan’ny zoky sy raiamandreny » !
HaRy Razafindrakoto