Da-Hopp eny amin’ny Caesar Grill. Manohy mizara ny”Rap mandrakizay” hatrany ry zalahy… Manome fotoana ireo mpankafy ny rap gasy, na tanora na tanora zokiny, eny amin’ny Ceasar Grill Soanierana, ry Ben-J sy ny tariny anio, manomboka amin’ny 6 ora hariva. Fotoana fanararaotra ho an’ireo mpiondana elaela tsy nihaona, mandra-pisian’ny seho lehibe.
Jean Bosco, ao amin’ny Alliance française Antsirabe. Hanokatra ny taonan’ny kolontsaina ao amin’ity toerana ity ny tarika, anio manomboka amin’ny 5 ora hariva. Ny mozika nentim-paharazana, laroina amin’ny fahaiza-manaon-dry Bosco, nampian’ny traikefa norantoviny nandritra ny taona maro no hozarainy mandritra izany. Rehefa avy nanaraka tarika maro, nitondra ny azy manokana i Bosco ankehitriny.
Anisan’ny handravaka ny sehatra eny amin’ny IFM Analakely, ny “Scène Slam”, iarahana amin’ny fikambanana Madagaslam. Hetsika iarahan’ny IFM Analakely miombona antoka amin’ny fikambanan’ny mpiangaly Slam eto Madagasikara. Tanjona ao anatin’izany ny hampiroborobo sy hampandroso ity taranja ity eto Madagasikara.
Nisokatra nanomboka omaly, ary tsy hifarana raha tsy ny 11 febroary 2024, ho an’ny rehetra, ny fampirantiana “Fun& Flow”, iarahana amin’i Mariam Amyra, eny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely. Vahiny mpiangaly hosodoko, monina eto Madagasikara. Mampiavaka ity mpahay kanto vahiny ity ny fahaizany milalao loko sy hazavana ao anatin’ny asa tanany.