Vaovao tambatra

Niampy 35 ireo « cadres supérieurs en planification » navoakn’ny Ivontoerana malagasy momba ny teti-pivoarana (IMaTeP). Andiany faha-32 ireto nivoaka omaly ireto, rehefa avy nanaraka fiofanana nandritra ny roa taona. Ray mpiahy azy ireo ny tale jeneralin’ny tahirimbolam-panjakana, Rajaofetra Andry Nirina.

Miato vonjimaika ny zotra an-dalamby mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara taorian’ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona teo anelanelan’i Sahasinaka sy Fenomby, ny alarobia teo. Misy ny asa vonjimaika atao eny amin’ny lalamby mandritra ny andro vitsy hanarenana ny fotodrafitrasa.

Nanomboka omaly ka hatramin’ny 18 febroary izao, any Faridabad Haryana, Inde, ny “Surajkund International Crafts Mela” andiany faha-37. Misolontena an’i Madagasikara ireo mpanao asa  tanana miisa dimy avy amina faritra samihafa izay samy haneho ny fahaiza-manaony sy hampahafantarana ny vokatra mampiavaka ny Nosy malagasy.

Jiro cobra miisa 60 no napetaka manazava ny tanàna ao amin’ny Oniversite Maninday Toliara, rehefa tao anatin’ny haizina, nandritra ny taona maro. Ravo ireo mpianatra monina ao an-toerana sy ireo mponina manodidina. Mbola hitohy manerana ny faritra samihafa ny hetsika hazavana ho an’ny daholobe, ataon’ny fanjakana malagasy.

Partager sur: