77 taona ny tolom-panafahana : Tsinjovina manokana ireo bekotromaroholatra

Feno 77 taona ny tolom-panafahana izay hankalazaina ny 29 marsa 2024 ho avy izao. Nilaza ny komity mpikarakara fa hotsinjovina manokana ireo bekotromaroholatra…

Ahina manokana ireo mpitolona tamin’ny 29 marsa 1947. Nisokatra ny fotoam-pivoriana voalohany notarihin’ny Tale misahana ireo mpiady tia Tanin­dra­zana eo anivon’ny minisiteran’ ny Foloalindahy, ny Jly Ran­drianantenaina Emilson, tetsy Ampahibe, ny zoma 2 febroary teo. Ho fankalazana ny faha-77 taonan’ny tolom-panafahana, hamolavola tetikasa maromaro entina hankalazana io fotoam-pahatsiarovana io ny kaomity, araka ny nambaran’ny tale misahana izany. Mizara roa lehibe ny andraikitry ny komity ka voalohany amin’izany ny fitsinjovana manokana ireo bekotromaroholatra nandray anjara mivantana na an-kolaka tamin’ny taona 1947. Ankoatra io, miandraikitra ny fikojakojana ny fotodrafitrasa fahatsiarovana io fotoana sarobidy amin’ny tantaran’ny fahaleovantena malagasy io ny komity. Ani­san’izany ny fasan’ny mahery fo eny Mausolée, Ankatso Ampitifirana hatrany Mora­manga.

Tsiferana R.

Partager sur: