Noraisim-potsiny ! Natolotra ny fampanoavana ny alakamisy teo, ka naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, ny jiolahy raindahiny amin’ny vaky trano. Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny poste de police Antaniavo teny Ankazomanga, ny talata lasa teo, noho ny resaka halatra ity jiolahy ity. Nahazo fitarainana ny polisy misahana iny faritra iny momba ny fahavakisana trano iray eny an-toerana. Karazan’entana maro no very nandritra io vaky trano io. Fahitalavitra fisaka « écran plat » no tena nokinendrin’ity jiolahy ity, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy. Manoloana izany, nanamafy ny hetsika fisafoana ny tanàna teny amin’ny manodidina ny polisy. Vokany, tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny ity jiolahy ity. Hita teny aminy, tamin’ny fotoana nahatrarana azy, ny fahitalavitra lehibe iray vao avy nangalariny. Fantatra nandritra ny famotorana azy fa efa nisazy teny Antanimora noho ny halatra ihany izy saingy niverina nanohy ny asa ratsiny indray nony tafavoaka ny fonja. Niaiky ny heloka vitany izy ka nilaza tamin’ny polisy fa efa ela no nanao ity asa ratsy ity.
J.C