Fahasimban-dalana : niverina ny fifamoivoizana Antsohihy-Mandritsara

Niantraika tamin’ny lalana maro eto amintsika ny rotsakorana nisesy amin’izao fo­toam-pahavaratra izao, indrindra ny any amin’ny tapany avaratry ny Nosy. Anisan’ izany ny fahatapahan’ny lalam-pirenena RN32, nandritra ny ora maromaro, mampifandray an’Antsohihy sy Mandritsara, PK26, any amin’ny kaominina Ampombolava. Nanampy trotraka ny fahasimbana ny tsy fisian’ny fantsom-be (buse) ao ambany lalana.
Nidina avy hatrany any an-toerana ny teknisian’ny Fi­tan­tanam-paritry ny Asa va­ven­ty (DRTP) Sofia, niaraka ta­min’ny fiarabe sy ny fitaovana vaventin’ny faritra. Vita ny sabotsy 3 febroary teo ny asa fanarenana, toy ny fanotofana ny lavaka sy ny fandravonana ny lalana.
Nandray anjara tamin’ny fandrindrana sy ny fandaminana ny fifamoivoizana ny mpitandro filaminana.
Ankoatra izay, nisy fahasimbana koa ny lalam-pirenena RN6, vokatry ny rano miakatra sy ny tany mihotsaka
ary ny fotaka mandrevo. Voakasik’izany ny teo amin’ny PK 90, fokontany Antsi­jofary, distrika Mampikony, faritra Sofia. Ta­pa­ka ny lalana satria nisy fiarabe miisa roa niraikitra anaty lalana, ny 2 febroary, ka nitohana ny fifamoivoizana. Nova­ha­na ny olana ka efa afa-misisika ny fiara kely. Dingana ma­naraka hataon’ny tomponandraikitra any an-toerana ny hisintomana ireo fiarabe roa ireo. Aorian’izay vao afaka ho­totofana tany ny lavaka, ha­taon’ny orinasa Rasoanirina.

Njaka A.

Partager sur: