Hamolavola hetsika ny komity teknika faha-77 taonan’ny 29 marsa. Nivory ny herinandro teo izy ireo. “Hanamarihana izany ny famelo-maso ny tantara, ny fampitana ny fanilo amin’ny taranaka”, hoy ny filoha mpitarika ny fikarakarana, ny Jly Randrianantenaina Emilson.
Handalo eny amin’ny Antenimierandoholona hankatoavina, taorian’ny nandanian’ny depiote azy ireo volavolan-dalàna roa: ny famaizana ireo mpanolana zaza tsy ampy taona sy ny momba ny fametrahana PDS, tsy mpiasam-panjakana hitantana kaominina.
“Fotoana izao hampitsaharana ny ady sy valifaty politika”, hoy ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina, tao amin’ny “Facebook”, ny herinandro teo. Nanteriny fa maro ireo mizaka ny antsojay politika ary tsy hiteraka fitoniana izany.
Mpiahy ny andiany “Taratra”, amin’ireo mpampianatra am-perinasa, miisa 1 600 nahavita fiofanana tao amin’ny Ifem, ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Andriamananoro Augustin. Nambarany fa mifanojo amin’ny vinan’ny filoha, ny fanomezan-danja ny maha olona, ny fanofanana mpanabe tahaka izao.