Kaomisera divisionera efa nisotro ronono no tratra nisoloky. Milaza ho mahatafiditra mpiasam-panjakana sy mpiasa ao amin’ny INFA izy. Maro ireo olona efa voasolokiny…
Tsy mety fay mihitsy! Notanana am-ponja vonjimaika ny kaomisera divizionera misotro ronono nisoloky ho mahatafiditra mpiasam-panjakana tao Morondava, ny zoma 2 febroary teo. Naka vola tamin’olona, milaza ho mahatafiditra ho mpiasa delege ao amin’ny INFA ity kaomisera misotro ronono ity. Notakiny 16 tapitrisa Ar io olona nosolokiany io, efa tamin’ny volana septambra 2023. Tsy hita popoka anefa io mpisoloky io taorian’izay. Niezaka nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny lasibatra. Nitohy ny fikarohana ity mpitandro filaminana nivadika nanao asan-jiolahy ity. Nokarohina ary nanaovan’ny polisy miasa ao an-toerana vela-pandrika io kaomisera misotro ronono io ka tratra. Nentina teo anivon’ny fampanoavana ka voamarina fa efa mpisoloky gaigilahy ny tenany. Efa ikoizana amin’ny fisolokiana avo lenta mihitsy ity polisy ity. Manaporofo izany rahateo ny filazan’ireo mpiray tsikombakomba aminy fa io kaomisera io no mpiara-miasa amin’izy ireo. Nanamafy rahateo koa ny teo anivon’ny fampanoavana ao Morondava, fa efa mpamerin-keloka amin’ny fisolokiana ao Morondava ity polisy ity. Notanana am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsarana any azy izy, taorian’izay. Ny minisitry ny Filaminam-bahoaka rahateo efa nanamafy fa tsy misy ny fifampiarovana amin’ny trangan-javatra toy izao fa tsy maintsy ampiharina aminy ny lalàna, ho an’izay tratra. Ny toy izao rahateo no anisan’ny manaratsy endrika ny fianakaviamben’ny mpitandro filaminana.
Tsiferana R.