Hanatanteraka fambolen-kazo eny amin’ny kaominina Ambalavao Atsimondrano, manakaiky ny Analamanga Park, ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, tarihin’ny minisitra, Andriamanantany Zely, amin’ny alakamisy izao. Aman’aliny ireo mpiasan’ny fahasalamana hanatontosa izany.
Nidina tany Itasy ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny faran’ny herinandro teo, nanatanteraka fambolen-kazo faobe niaraka tamin’ny mpiara-miasa. Io koa no nisantarana ny vina efatra lehibe ka tafiditra amin’izany ny fanokafana ny oniversite any an-toerana.
Nihaona tamin’ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra avy amin’ny faritra 23 ny minisitra Razafiharison Andriamanantena. Hanamafy orina ny fiaraha-miasa hamahana ireo karazana olana mateti-pitranga amin’ny fiainan’ny mpianatra sy ny fianarana eny amin’ny oniversite ny roa tonta.
Nahazo fampitandremana miloko maitso amin’ ny fahabetsahan’ny rotsakorana ny any amin’ny faritra avaratra sy avaratra atsinanana, ny tapany atsinanan’ny afovoantany hatramin’ny anio. Hahatratra 40 mm ka hatramin’ny 90 mm izany ao anatin’ny 24 ora.