Lavo nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo nanao fanafihana mitam-piadiana mahery vaika tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Betanantanana distrikan’i Maintirano, ny zoma teo, ny miaramila kilasy faharoa, i Manampy Gaspar. Anisan’ireo miaramila mahery fo, niasa tao amin’ny holafy fibaikoana sy fampandehanan-draharaha eo anivon’ny Bataillon d’infantérie Maintirano izy. Tsy nihemotra fa nanatanteraka antsakany sy andavany teny an-kianja sy tamin’ny iraka nampanaovina azy amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany izy. Efa tonga ao amin’ny tobin’ny bataillon d’infantérie Maintirano ny nofo mangatsiakany, ny sabotsy teo. Mbola mitohy kosa ny fanarahan-dia ireo dahalo tompon’antoka tamin’ny fanafihana ka nahalavo azy.
Dahalo efa maty voatifitra
Nitrangana fanafihan-dahalo koa tao amin’ny kaominina Mandabe, distrikan’i Mahabo, faritra Menabe, omaly maraina. Dahalo am-polony nirongo basim-borona no tompon’antoka tamin’ity fanafihana ity. Nifanome tanana nanara-dia ireo malaso ny zandary sy ny Tafika nampian’ny fokonolona. Mafy ny fifandonana satria dahalo efatra maty voatifitra. Nentin-katezerana ireo fokonolona ka notapahin’izy ireo ny tanan’ireo dahalo maty ka nentin’ireo teny an-tanàna. Manao izay ho afany tanteraka ireo mpitandro filaminana mpampandry tany any an-toerana.
J.C