Anisan’ny faritra manana loharano ny any Nosy Be. Misy ny paikady raisin’ny fanjakana entina hampiroboroboana ny fiompiana trondro. Mampiavaka azy, maimaimpoana ny fiofanana satria tanjona ny hahafahan’ny rehetra hisehatra amin’ ny lalam-pihariana trondro.
Maromaro ny fandaharam-potoana any Nosy Be. Misy ny fiofanana ho an’ny fiompiana trondro an-dobo, ny fanatavezana trondro, ny famokarana zana-trondro, sns.
Anisan’ny mampiavaka ny fiofanana koa ny fampivelarana sy ny fampiroboroboana ny tsirairay amin’ny lafiny fitantanana, ho an’ny mpitantana na ny mpandrandraharaha, sy ny fomba fitarihana.
Toerana efatra any Nosy Be no hanaovana ity fiofanana ity, any Hell-Ville (6-7 feborary), any Dzamandzar (8-9 febroary), any Anjiabe Nosy Komba (14-15 febroary) ary any Befotaka (16-17 febroary).
Tsiahivina fa efa misy ny fikambanan’ny mpiompy trondro any Nosy Be, izay azo antonina amin’ny fisoratana anarana, toy ny Fiombonan’ny mpanjono any Dzamandzar, Nosy Komba, Befotaka, sns.
Njaka A.