Tsy fandriampahalemana etsy sy eroa, fanolanana, fisandohana, fihanaky ny zava-mahadomelina… Izany ny fiarahamonina malagasy amin’izao. Ao anatin’ny fahalavoana na fahalovana? Fahantrana no antony, na izany no vao mainka mampahantra fa mitambotsotra andro aman’alina ny maha olona. Na sanatria efa mihabiby ny sasany… Izany no hoe fandrosoana? Nefa hoe ho an’ny olona rahateo ny antony sy vokatry ny asa fampandrosoana. Tsy misy hadino? Ho an’ny olona manontolo sy ny olona rehetra…
Mby aiza, ohatra, ny hoe soatoavina eo anivon’ny fiarahamonina amin’izao? Na izay heverina ho manan-danja na lehibe sy voalohany, mampihazakazaka, ifaninanana, mila tsy ahatsiarovan’ny sasany tena na tsy ahalalany ny hafa… Noho ny fahantrana lalina sy maharitra ary saika mahenika ny maro, mibahan-toerana ho azy ny fiainam-batana amin’izay hohanina sy hosotroina, izay hotafiana sy hialofana… Tsy ifanomezan-tsiny? Na tsy iadian-kevitra, tsy ifampiandrasana… Samy mandeha, samy mitady sy miady. Ho tonga hatraiza? Na sanatria midona any faran’ny lavaka amin’ny fahalavoana sy fahalovana vao samy ho taitra…
Amin’izao hoe anisan’ny andry amin’ny fampandrosoana ny maha olona izao, mby aiza ny hoe tsy misy hadino? Na ny olona rehetra io, na ny olona manontolo. Mandroso ho azy ve ny maha olona rehefa mandeha ny fiainam-batana tsy misy fiainan-tsaina? Mbola resaka hafa indray ny fiainam-panahy. Sao sanatria ny fiainam-batana tafahoatra no mampitambotsotra ny fiainan-tsaina? Mahatonga ny sasany manaotao foana, tsy mahaavaka ny tsara sy ny ratsy, manandranandrana… Tsy mora sy haingana kokoa ve ny fampiroboroboana ny fiainana andavanandro, raha tsara orina ny maha olona? Na miara-miainga, miara-mandroso…
R. Nd.