“Pureplay Foot-ball League” (PFL): hanohana ny CFEM mandritra ny 2 taona ny FMF

Taorian’ny fanovana ny anaran’ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League, (OPL)” ho “Pureplay Foot-ball League, (PFL)”, niroso tamin’ ny fanohanana ny CFEM (As­so­ciation des clubs de football élites de Madagascar) ny federasiona malagasy (FMF). Notanterahi­na ny zoma lasa teo, teny Ivandry, ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny roa tonta. Nanatan­teraka izany, Andriamanam­pisoa Alfred, filohan’ny federasiona sy Ra­ko­toarimanana Henintsoa, mpi­tantana ny CFEM. Na­m­ba­ran’Andriama­nam­pisoa Alfred fa roa taona, izany hoe, hatramin’ny 2025, ny faharetan’izany. Notsiahiviny fa ny taona 2019 ny fiaraha-miasan’ny roa tonta voalohany ary izao nohavaozina izao. Nomen’ny federasiona alalana ny CFEM, hikarakara sy hisahana ny fifaninanam-pirenena (PFL) ao anatin’io fotoana io. “Hiezaka mandrakariva ny FMF ho fampandrosoana ny baolina kitra ka izay no nahatonga izao fanavaozana ny fiaraha-miasa izao”, hoy izy.
Nitondrany fanazavana ny fanovana ny anarana ho PFL, izay fangatahana nataon’ny firenena hafa. Hanomboka ny alahady 11 febroary ho avy izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. 16 ireo ekipa hiady izay ho lohany ka hisolontena an’i Madagas­ika­ra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, izay tafavoaka voalohany eo. “Zava-dehibe ho an’ny klioba izao fiaraha-miasa izao, hisian’ny fanatsarana maro ka vonona ny CFEM, hanao ny tsaratsara noho ny teo aloha mba tsy hisian’ny rahoraho fa hampadio ny lalao”, araka ny nambaran’ny filohan’ny CFEM.

Tompondaka

Partager sur: