Hotanterahina ny 17 febroary ho avy izao, eny Soavina, ny «Gala des Champions», taom-pialalaovana 2023, taranja Moto. Mpilalao moto miisa 78 sy mécaniciens 3 no hahazo mari-pankasitrahana eny an-toerana. Tsiahivina fa mialoha ity lanonana ity, hisy ny fifaninanana nasionaly, ny 11 febroary, hatao any Antsirabe.
Nigadona eto an-tanindrazana, ny alarobia 31 janoary lasa teo, ny mpanazatran’ny Barea de Madagascar, Rakotondrabe Romuald Felix na ny Coach Rôrô. Tsiahivina fa nanainga teto an-tanindrazana ny 7 janoary lasa teo izy, ho any France. Niofana tao amin’ny klioba RC Lens, Stade Brestois, Paris FC, no anton-
dian’ity Malagasy teknisianina ity tany an-toerana.
Hotontosaina manomboka anio hatramin’ny alakamisy 8 febroary, eto Antananarivo, ny fifaninanana nasionaly, taranja billard, taom-pilalaovana 2023-2024, araka ny vaovao navoakan’izy ireo tao anaty tambajotran-tserasera. Ny sokajy Masters 1 – 4 no hanokatra ny lalao. Tsiahivina fa anisan’ny taranja nanaovan’i Madagasikara Mondial ny billard, ny taona 2022.