Tarika Anoka Ba Gasy: Tsara fanombohana ny taom-pampisehoana

Hipoka ny trano! Mbola mitoetra ny fitiavana ny ba gasy, raha tarafina amin’ny seho notontosain’ny tarika Anoka Ba Gasy, ny sabotsy tolakandro teo, tetsy amin’ny Karibotel Analakely. Nianoka tokoa ary tena nankafy ireo mpijery. Nitety vanim-potoana ry Ralanto, Mbola Talenta, Haja ary Beauzaka nandritra ny ora dimy be izao. Notsikafonin’ny tarika ny “Tia Karahoaka” an’ Ny Antsaly, “Sanganehana” an’i Arkazorama”, “Hanina an’i Neny” an-dRandria Gervais, “Ny vola” an-dRabenaivo Charles, sns. Nahazo sitraka manokana tamin’
ireo mpijery koa ireo hira mifono hatsikana, izay tena taletan’i Beauzaka. Anisan’ireo ny “Adama sy Eva” sy “Kankana”, sanganasan’i Lefona sy ny “Rankizy Malagasy”, nahafantarana an’i Odeam Rakoto.
Tsy nohadinoana koa ny sanganasan’izy efatra mirahalahy izay samy mpamorona, toy ny “Mba fara faharatsiny” an’i Haja, “Mangorangorana” an’i Mbola, “Aza mba manary toky” an’i Beauzaka, “Sipa maintikely” an-dRalanto, sns. Vahiny tsy nampoizina ny Voamaintilany, izay avy niatrika ny “Sehatra Ba Gasy” kanefa tonga nanotrona ny tarika ihany.

Zo ny Aina

Partager sur: