VAOVAO TAMBATRA

Efa vita ny fanarenana eo amin’ny lalam-pirenena RN4, sampanan-dalana Anjajia, PK437. Eo koa ny fanamboarana ny tetezan’Antanambao Andranoava, PK498+400, sy ny tetezamby eo Mangapaika, PK 505. Manampy ireo ny fanarenana ny lalana eo amin’ny PK466, akaiky ny tananan’i Beforona. Vita ny 1 febroary teo ireo asa ireo, avy amin’ny tetikasa CERC, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola.
Manohana hatrany ny orinasa malagasy tsy miankina ny sampana fadin-tseranana. Natao ny 25 janoary teo ny fanomezana mari-pankasitrahana fanao isan-taona, ny amboara mamiratra ho an’ny taona 2023. Notsorin’ny tale jeneralin’ny Fadin-tseranana malagasy (DGD), Lainkana Zafivanona, fa : “manakaiky hatrany ny orinasa malagasy ny ladoany, sady mihaino, indrindra mitady ny vahaolana amin’izay zava-manahirana izay”.
Misanda 4 522 Ar ny 1 euro, ny zoma 2 febroary teo. Midika io fa tsy marin-toerana ny lanjan’ny sandam-bola malagasy, amin’izao fiandohan’ny taona 2024 izao. Na izany aza, miankina amin’ny hamaroan’ny fanondranana entana any ivelany ny hampiakarana ny sandam-bola malagasy, ny ariary. Raha ny vinavinan’ny mpahay toekarena, manomboka ny volana marsa na avrily 2024, vao tena ho hita ny fivoaran’ny sandam-bola malagasy.

Partager sur: