“Bob Marley: One Love”; Arahina fampisehoana ilay horonantsary

Kalaza maneran-tany. Na efa taona maro aza ny nahalasanany, mbola mitoetra hatrany ny lazan’i Bob Marley. Azo antoka fa mbola hitombo izany, noho ilay horonantsary “Bob Marley: One Love”, izay notontosain’i Reinaldo Marcus Green tao amin’ny Para­mount. Hivoaka voalohany ny 14 febroary izao izy ity, any Etazonia. Avy hatrany dia handeha amina firenena maro maneran-tany, aorian’izay.
Tsy ho tara ny eto Madagasikara, satria handeha voalohany ao amin’ny Cine­pax izany, ny 16 febroary izao. Fandefasana sarimihetsika, arahina fampisehoana hamerenan’ireo mpanakanto ny sanganasan’i Bob Marley io. Nosafidiana manokana ny Weaver trio, ahitana an’i Njaka Rakotonirainy (vata maroafitsoka), Hents Andria­masimana (gitara beso) ary Josia Rakotondravohitra (am­ponga maroanaka). Hanampy azy ireo eo amin’ny feo kosa i Yrinaf. Endriky ny fisokafan’ny mozika izany, satria mivelatra be eo amin’ity tontolo ity koa ireto tanora ireto, na dia fantatra kokoa eo amin’ny tontolon’ny jazz aza.
Raha hiverenana ilay horonantsary, mitantara ny fiainan’i Bob Marley izy ity. Ilay mpilalao sarimihetsika anglisy Kingsley Ben-Adir no hitana ny toeran’ity mpanakanto ity anatin’izany. Hason­gadina ao avokoa manomboka tany amin’ny niaingan’i Bob Marley hatrany amin’ny nitondrany avo dia avo ny mozika reggae.

Zo ny Aina

Partager sur: