Centre Kintana : 5 000 ireo vehivavy nanao fitiliana

Nahatratra 5 000 ireo vehivavy nanao fitiliana maimaimpoana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza sy ny nono. Nandritra ny hetsika “Octobre rose”, teny anivon’ny Centre Kintana Ambatomena izay tantanan’ny Fondation Akbaraly, ny volana oktobra 2023 lasa teo . Hetsika fanao isan-taona hanentanana ireo vehivavy tsy afaka misitraka fitiliana noho ny sarany amin’ ny andavanandro ka maro ireo nanoina ny antson’ny fikambanana. Manana toeram-pandraisana sy fikarakarana ireo atao fitiliana ny centre. Nani­tatra ny tolotra fahasalamana ho an’ny mponina izy ireo ka nanokatra sampana famelomana aina sy fitondrana ma­rary ivelan’i Madagasikara hanaraka fitsaboana any ivelany. Efa niasa nandritra ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19 teto amintsika ireo sampana roa ireo fa izao vao nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy.

Naorina ny taona 2008 ny fikambanana, niaraka tamin’i Cinzia Catalfamo Akbaraly ary manohana ny olona hiarina amin’ny fiainana amin’ny firenena efatra : India, Madaga­sikara, Roandà ary Italia. Anisan’ny tetikasany ny fisorohana ny aretina homamiadana aty amin’ny firenena atsimon’i Afrika ary miasa eto amintsika tao anatin’ny taona maromaro ny fikambanana eto Antana­na­rivo, Fianarantsoa ary Maha­janga.

Vonjy

Partager sur: