Natao, omaly, teny Ampandrianomby, ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny kojakojam-piompiana ho an’ny tantsaha. Vola madiodion’ny fanjakana ny nahazoana azy ireo, entina hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Avy amin’ny fiompiana ny 60%-n’ny fidiram-bolan’ny tantsaha eto amintsika. Ao anatin’ny paikadin’ny fanjakana ny hampiakarana ny famokarana, amin’ny alalan’ny fanohanana ny tantsaha, hanatsarany ny fihariany. Natolotry ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) omaly, tamin’ny fomba ofisialy, ireo kojakojam-piompiana samihafa, izay haparitaka manerana ny faritra. Nandray izany ny Fivondronan’ny tantsaha malagasy (Fikritama) sy ny fikambanan’ny tantsaha Foyer des paysans, samy manana mpikambana aman’alina manerana ny Nosy.
Navoitran’ny minisitra Minae, Ratohiarijaona R. Suzelin, fa tafiditra ao anatin’ny fe-potoana 100 andro, fanambin’ny isaky ny minisitera ity hatao ity, ka antenaina hisy vokatra tsara avy hatrany. Mbola kely ny tahan’ny fihinan’ny Malagasy hena, izay latsaky ny 10 kilao isan’olona, isan-taona, raha efa mihoatra ny 40 kilao/olona/taona any amin’ ny tany mandroso. Koa, mila ampiakarina io taha io, izay no mahatonga ny fanjakana hanohana ny mpiompy toy izao fanomezana kojakojam-piompiana izao, mba hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Mba ho tena ny mpiompy
Miisa 2 500 ny fitaovana fisakafoanam-biby hozaraina, 250 ny fisotroana rano, gropy mamokatra herinaratra efatra, 3 tapitrisa ny fatrana vaksiny, sinibe fitahirizana ronono, …. Misy koa ny kavina elektronika miisa 18 000 ho an’ny ondry sy osy, tohoka tantely 100 sy fitaovana entina manodina sy mamokatra mamin-tantely. Miisa 20 ny karazana sakafom-biby, toy ny provandy 12 taonina sy katsaka 35 taonina. Eo koa ny biby fiompy ondry sy osy 510, kisoa 86, akoho 2 415, bitro 500, akoholahy kely 124 000, sns.
Nilaza ny filohan’ny Fekritama, Herinantenaina Mahefa, fa zava-dehibe ho an’ny tantsaha mpiompy sady hitondra fampandrosoana ity tohana avy amin’ny fanjakana ity. Irariana mba ho tonga any amin’ireo tena mpiompy ny fanampiana.
Njaka Andriantefiarinesy